Efa fotoam-bita ! Raikitra indray ny « Star Tour » any Antsirabe, izay hanokafana ny amin’ity taona ity. Mipetraka hatrany ny fanamby goavana ho an’ny mpikarakara.
Anatin’ny fanamarihana ny faha-70 taonan’ny Star avokoa ny hetsika rehetra amin’ity taona ity. Mba hampiavaka izany, hivelatra kokoa noho ny mahazatra isan-taona ny « Star Tour ». Hanomboka ao Antsirabe hatrany, mandritra ny fetin’ny Paka . Hotontosaina ny 7 hatramin’ny 10 avrily izao , manoloana ny Gara.
“Hifototra amin’ny fitandroana ny kalitao, fanomezana fahafinaretana ho an’ny mpianakavy ary arahina hetsika ara-tsosialy. Hataonay ho laharam-pahamehana hatrany ny fitandroana ny filaminana, ny kalitaon’ny hetsika amin’ny ankapobeny ary ilay fifaliana ho an’ny daholobe izany” , hoy ny nambaran-dRamanankoraisina Setra, tompon’andraikitry ny fikarakarana hetsika.
Haharitra efarana ny fety amin’ity. Efa endrik’ilay fivelarana izay, satria afaka mijery ny tandrify azy amin’ny fandaharam-potoana ny rehetra, na tompon-tany na vahiny hiala sasatra ao an-drenivohitr’i Vakinakaratra. Hivelatra manaraka izany koa ny fandaharam-potoana, kanefa voatana hatrany ny fototra nahatonga ny fahombiazan’ny “Star Tour” hatramin’izay.
Mazava fa ny fampisehoana no goavana indrindra amin’ireo hetsika marobe anatin’ny “Star Tour”. Hanokatra ny sehatra ny zoma ireo mpanakanto avy ao an-toerana, satria iaraha-mahalala fa sompitry ny zavakanto raha Antsirabe. Efa manomboka amin’io ihany koa ny fanentanana isan-karazany, hifandimbiasan-dry Fou Hehy sy Bahrone. Ny sabotsy kosa ilay “carnaval” lehibe hamakivaky ny tampon-tanàna, izay niova kely koa amin’ity, satria haka endrika fifaninanana izany. Ny hariva, hiaka-tsehatra ry Tempo Gaigy sy Mr Sayda. Ny alahady kosa, anjaran’i Black Nadia sy ny tarika Oladad no hanafana ny sehatra, arahin’ny fampandihizana hataon’ireo mpikosoka kapila, ary handra-maraina izany. Hanomboka alohaloha kosa, amin’ny 2 ora, ny fampisehoana hataon’i Njakatiana ny alatsinain’ny Paka, ho fitsinjovana ireo lavi-podiana.
Ankoatra ny fampisehoana, eo hatrany ny kermesy misy ny toerana hoan’ny ankizy, ny karaoke hoan’ny rehetra, sns. Voatana ihany koa ny fifaninanana hazakazaka VTT amin’ity.
Zo ny Aina