Ambatomirahavavy: lehilahy nahatrarana entana halatra

Saron’ny mpitandro filaminana teny amina lehilahy iray ny entana halatra toy ny zavamaneno roa , vatoaratra, niampy fitaratra fiton’ireny fiara sprinter ireny tetsy Ambatomira­hava­vy, ny alin’ny alakamisy teo. Nanao fisafoana amin’ny alina, nifanehatra tampoka tamin’ny zandary ny telo lahy samy nitondra entana teny aminy. Nirifatra nandositra avy hatrany izy ireo rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana. Lehilahy iray tamin’ireo telo no voasambotra. Tra-tehaka niaraka tamin’ity farany ny “ampli baffle” iray, fitaratra fiara maromaro, bisikileta ary ordinatera. Natao famotorana, efa fanaon’ity jiolahy ity sy ny namany ny mamaky trano. Amidin’izy ireo eny amin’ny lalamby eny Anosibe ireo entana azon’izy ireo. Mitohy ny fanadihadiana .

Tsiferana R.

Partager sur: