Sahona « Mantella aurantiaca » izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara 1 800 mahery no naverina eny amin’ny tontolo voajanahary nandritra ny taona 2022. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa ataon’Ambatovy, ho fiarovana sy fampitomboana taranaka ity karazana sahona ity.
Voasokajin’ny Vondrona iraisam-pirenena ho fitandrovana ny voahary (UICN)* ho anisan’ireo biby tandindonin-doza ny « Mantella aurantiaca » ary nanaovan’Ambatovy fandaharanasa manokana ho fampitomboana taranaka azy ireo izay iarahany miasa amin’ny fikambanana Mitsinjo izay mitantana ny Toby Sahona ao Andasibe.
Tsiahivina fa nosokajian’ ny UICN ho tena tandindonin-doza io karazan-tsahona io taloha, fa noho ny ezaka nataon’Ambatovy miaraka amin’ ireo manam-pahaizana eo amin’ny siansa, mpiombon’ antoka aminy, dia nidina ny tahan’ny sata loza mahazo azy ankehitriny.
Nahafahana namerina teny anivon’ny tontolo voajanahary sahona nompiana 1 500 mahery, tamin’ny taona 2017, ity fandaharanasa ity natomboka ny taona 2012. Manohy hatrany ny famotsorana eny anivon’ny tontolo voajanahary ireo « Mantella aurantiaca » Ambatovy taorian’io vokatra tsara azo io sy ny traikefa rehetra norantovina tamin’izany.
Miara-miasa akaiky amin’ ny manam-pahaizana eto an-toerana ny orinasa amin’ny fanaraha-maso ny fahasalamana sy ny fiainan’ireo biby ireo eo anivon’ny tontolo vaovao misy azy. Mitohy hatrany ny fandaharanasa hiaraha-miasa amin’ireo manam-pahaizana eto an-toerana momba ny asa fanavotana ny sahona, ny famerenana azy eny anivon’ ny tontolo voajanahary sy ny fanaraha-maso isan-tsokajiny, ny taona 2023 sy 2024.
Ndrina
UICN* : Union internationale pour la conservation de la nature