Ambodivona Ankadifotsy : mpanendaka roa lahy nitondra antsy maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy tetsy Ambodivona, omaly. Lavon’ny polisim-pirenena ny jiolahy roa lahy
mpanendaka, anisan’ireo mampitondra faisana ny mpiara-belona eny an-toerana.

Maro ny lasibatrin’ ireto mpanendaka ireto ary mampikaikaika ny maro ny asa ratsiny. Tao ny very entana, nisy koa ny naratra sy namoy ny ainy. Maro ihany koa ny fitarainana voarain’ny polisy momba azy ireto. Vokany, omaly maraina, nidina ifotony ny polisy vantany vao nahazo ny angom-baovao momba azy roa lahy. Raikitra ny fifanenjehana teny Ankadi­fotsy, nitohy hatreny Ambo­divona izany. Nifanehitra tsy lavitry ny jirama ny roa tonta. Mbola nikasa hampiasa ny antsilava teny aminy ireto mpanendaka. Tsy na­naiky lembenana tamin’izay ny polisy ka nanohitra sy nitifitra avy hatrany. Lavo ireto mpanendaka ka azo teny aminy ny antsy saika hanoherany ny mpitandro filaminana. Ny iray voa teo amin’ny lamosiny raha voatifitra teo amin’ny kibony kosa ny iray hafa. Tsy eny Ankadifotsy sy ny manodidina ihany no mampitaraina ny olona. Maro ny faritra mena eto an-drenivohitra, mampikaika ny besinimaro, toy ny etsy 67ha, Isotry, An­davamamba, Andravoa­han­gy, Anjanahary, Ambato­mainty, Anosibe. Ary tsy mifidy ora na toerana intsony ireo jiolahy rehefa hanao ny asa ratsiny. Ao koa ireo mpanararaotra eny amin’ireo toeram-piantsonan’ny taksibe ka hatrany anaty fitateram-bahoaka aza.

Henintsoa Hani

Partager sur: