An-kitsin-jo sy an-kitsim-po

Hanao ahoana ihany ny ho fiatrehana ny fifidianana? Ny ataon’ny tena ihany no mahasoa na maharatsy ny fandehan-draharaha. Tena handeha an-kitsin-jo sy an-kitsim-po amin’ny fanatsarana ny ny zotram-pifidianana ve ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana, indrindra ny mpanao politika? Ho hita eo… Samy hotsaraina amin’izay lazainy sy ataony avy ny tsirairay.
Hatramin’izao, saika tsy mahafa-bela amin’ny sasany ny fiheverana ny politika, ny fomba fanaovana politika… Tsy inona fa hoe ny kifetsifetsy, ny kivadibadika, ny kilaingalainga… Hafa, ohatra, ny lazain’ny vava, fa tsy araka izany izay atao sy aleha. Na hafa ny lazaina anio, miova na ovaina ho azy rahampitso na izay atao eo no ho eo ihany aza. Fivadibadihana lava, manahirana…
Izay no anisan’ny mahasarotra sy mahamafy ny fanao­vana politika eto Madagasikara? Saika mila ho ivelan’ny sehatra hatrany fa tsy amin’ny fanajana lalàna, etika, soatoavina… Misy mandrakariva aza ny mihevitra sy miaina fa ambonin’ny lalàna ny politika? Tsy mahagaga raha tsy ilaozan’izay saika mivoaka mandrakariva amin’ny lalàna amin’izay lazainy, ataony, kendreny, takiny…
Tsy lavina, ihoarana tokoa ny lalàna rehefa sendra raharaha sy fotoana sarotra amin’ny politika. Izany no mahatonga ny sasany mitady sy mamboly korontana lava hivoahana amin’ny lalàna sy ny lapa amin’ny politika. Mby amin’ny hoe an-dalambe… Mila tsy hisy lanja aman-kasina ny lalàna amin’izany, ny antony sy ny vokatry ny fanaovana fifidianana…
Tsy mandeha an-kitsin-jo sy an-kitsim-po tsinona ny fanaovana politika, tsy araka ny lalàna sy fijerena ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Mandra-pahoviana? Eo ny vahoaka mahita, mitsara, misafidy, manapa-kevitra… Tsy amin’ny alalan’ny fifidianana ihany, fa amin’ny sehatra sy ny fiainana politika isan’andro; eny, na ao anatin’ny fahasarotam-piainana lalina sy mafy aza.
Mbola misy ho azo na ho voafitaka ka tohatra fiakarana na fitaovana politika amin’ny karazana fanakorontanana etsy sy eroa ve, ohatra? Ny vahoaka no hoe tompon’ny teny farany amin’ny fifidianana. Tompon’ny tenany koa amin’ny safidy politika na hikorontana na tsia, rehefa tsy voalamin’ ny samy mpanao politika any an-dapa ny raharaha? Efa mba tokony hiova amin’izay…

R. Nd.

Partager sur: