Andrianainarivelo Hajo : “Antoky ny fanajana ny zo ny fitsinjaram-pahefana”

Nitohy tany Antsiranana indray ny famelabelaran-kevitra nataon’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-mianga, Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. “En­driky ny fitsinjaram-pahefana no sady antoky ny fanajana ny zo maha olona, imasoan’ny foto-kevitra demokraty hery afovoany ny fahalalahan’ny olom-pirenena mandraharaha sy mandray andraikitra”, hoy izy. Nanteriny fa ilaina koa ny fahaizana mifampiraharaha sy mametraka drafitra ho an’ny mpitarika isan’ambaratongany, hisarihana ireo mpampiasa vola ka hiteraka asa ho an’ny isan-tokantrano. Resy lahatra amin’izany isika ka nametraka ny “Institut national de la décentralisation et du développement local – INDDL” mba ahafahan’ny olom-boafidy sy olom-boatendry manamafy ny fahaiza-manaony ary ho azo antoka eo anatrehan’ny mpiara-miombon’antoka rehetra, araka ny nambarany.

Olan’ny orinasa Secren

Noraisiny ho ohatra amin’izany ny olan’ny Secren. Mifandray amin’ny lohahevitra : «Fitsinjaram-pahefanana eo amin’ny tontolon’ny varotra sy ny toe-karena ». Ma­zava ny an’ny MMM fa vokatry ny tsy fanajana ny fitsinjaram-pahefana araka ny tokony ho izy io olana io. Niara-dalana tamin’ny filoha nasionaly ireo loholona mianadahy lany tamin’ny anaran’ny Malagasy miara-miainga.

Tsiahivina fa anisan’ny mivoy hatrany ny fotokevitra ny hametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, amin’ny sehatra rehetra ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga.

Synèse R.

Partager sur: