Atletisma – Telma semi marathon : resin’i Fulgence i Mampitroatse

Tsy nisy ny zava-bita mon­tsana saingy nitranga ny tsy nampoizina, nandritra ny fifaninanam-pirenena, taranja atletisma Telma semi-marathon. Fifaninanana, notanterahina teto Antananarivo, omaly alahady. Resin’i Fulgence, atletan’ny Crown, Vakinanka­ratra, efa 47 taona i Mampi­troa­tse, anisan’ireo nanjakazaka tamin’ity halavirana 21 km ity. Nandrasan’ny rehetra ny fihaonana teo amin’ity sokajy lehilahy ity. Raha hiverenana, nitarika hatrany amin’ ny 10 km i Mampitroatse, saingy nihoaran’i Fulgence avy eo. “Tsara ny fanomanana ary efa 3 volana nanaovana fanazaran-tena, ny tenako. Vonona aho ny hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny lalaon’ ny Nosy saingy miantso fanohanana avy amin’ny fanja­kana”, hoy izy.
1 ora 07 mn 54 s ny fe-potoan’i Fulgence. Faharoa, i Jean-Claude, nahatontosa ny fifaninanana tao anatin’ny
1 ora 08 mn 21 s ary fahatelo, i Mampitroatse, avy amin’ny Cospn Boeny, 1 ora 08 mn 49 s.
Voahosotra ho tompon­daka teo amin’ny vehivavy, Raza­findrafomba Nanie, avy amin’ ny AS Fanalamanga, izay nahavita izany tao ana­tin’ny1 ora 27 mn 01 s. Azo lazaina fa nandeha irery i Nanie, tamin’ ity satria tsy na­hasongona azy hatrany am-boalohany ka hatramin’ny farany. Faharoa, i Rabemi­hiotra Oliva (Cospn), 1 ora 28 mn 59 s ary Rama­nan­kasina Rosa ny fahatelo, 1 ora 31 mn 33 s. Ankoatra ny mpi­fani­nana malagasy, nisy mao­ri­sianina iray nandray anjara. Ankoatra ny medaly, nomen’ ny Telma, lelavola 200.000 Ar ireo mpandresy. Nambaran-dRaherison Dominique, filohan’ny federasiona fa hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ireo 5 tonga voalohany.

Torcelin

Partager sur: