Contribution et promotion vers l’avenir : tanora 104 nahazo fiofanana maimaimpoana

Ho fanampiana ny tanora hirotsaka amin’ny sehatry ny asa aorian’ny fahazoana diplaoma, manofana maimaimpoana ireo tanora manana mari-pahaizana amin’ny « comptabilité » ny Contribution et promotion vers l’avenir (CPA).

Fandaharanasa hampiroboroboana ny fampananana asa no tanjona miaraka amin’ny fanofanana enim-bolana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana CPA, Ramiaramanana Rija Francis, ny faran’ny herinandro teo, teny Ambohi­malaza. Mpianatra manana ny mari-pahaizana bakalorea G, Licence, Master I –II no mifaninana hiditra ho mpiofana ka ireo 20 nisongadina no raisina hanatrika ny fampianarana sy ny fianarana asa avy hatrany. Mitombo isan-taona ireo liana sy misoratra anarana handray anjara amin’ny fifantenana eto Antananarivo, izay efa namoaka andiana tanora telo misy mpiofana 20 isanisany. Rehefa vita ny fiofanana, mahita asa avokoa ny 90% raha mbola manohy fianarana ny 10% amin’ireo tanora. “Collaborateur comptable offshore” ny andraikitra sahaniny ary mandray an-tanana ny antontan-taratasin’ny orinasa vahiny (frantsay) avy hatrany ireo mpiofana. Nandritra ny fotoana niparitahan’ny Covid-19, niroborobo ny asa tsy nihetsika tany an-trano na amin’ny alalan’ny fikirakirana teknolojia ary nisedra izany koa ny fampiofanana tao amin’ny CPA.

Mpanohana ny orinasa vahiny
Orinasa vahiny maro (amin’ny alalan’ny RSE) no manohana ny fandaharanasa fampiofanana maimaimpoana nahafahana nanohy hatramin’izao. Miara-miasa amin’ny holafitry ny Experts comptables et financiers de Mada­gascar (OECFM) koa ny fikambanana. Ny filohan’ny holafitra rahateo, Andriamisa Ravelomanana, no ray mpiahy ny andiany fahefatra sy fahadimy « Manovosoa » sy « Vina » notolorana ny fanamarihana fa nahatontosa ny fiofanana teto Antananarivo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy koa ny andiany voalohany “Santatra” avy any Antsirabe. Manana tanora mahay eo amin’ny ingénierie, informatique ary ny comptabilité isika ary tsy vitsy ny orinasa vahiny mandray tanora malagasy amin’ireo sehatra ireo. Afaka miasa eto Mada­gasikara sy any ivelany ireo mpiofana satria efa mahafehy izany nandritra ny fiofanana. 104 ireo efa nisitraka ny tohana izay ho ezahina hiitatra amin’ny distrika hafa.

Vonjy

Partager sur: