Niakatra avo roa heny raha mitaha ny tamin’ny herinandro farany ny isan’ny olona vaovao mitondra ny tsimokaretina Covid-19 ho an’ ny 18 ka hatramin’ny 24 marsa lasa teo, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. 78 ny tranga vaovao avy amin’ny fitiliana 397. Iray ny tranga misy fahasarotana ary 80 ny marary hatramin’ny 24 marsa lasa teo. Tsy nisy ny aina nafoy vokatry ny valanaretina ny herinandro farany. Ho an’ny tranga vaovao, mitana ny voalohany Analamanga manana marary 53, mahatratra 22 ny ao Vakinankaratra ary iray avy ao Diana, Matsiatra Ambony sy Androy.
Nanomboka ny volana marsa 2020 ka hatramin’ny 24 marsa lasa teo, 68 049 ny olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina. 66 545 sitrana ary 1424 ireo lavo.
Tsy mampihatra ny fepetra sakana intsony ny rehetra amin’izao fotoana izao ankoatra ny orinasa vitsivitsy mbola mampiasa “gel désinfectant” rehefa hiditra ny varavarany. Ireo manana toe-tena marefo sisa mametraka ny arovava orona fa ny daholobe tsy miraharaha intsony.
Vonjy A.