Depiote Raholdina Naivo: “Tsy misy Tetezamita intsony eo”

«Milaza amin’ny vahoaka izahay fa tsy misy Te­te­zamita intsony, fa efa ao anatin’ny fanomanana fifidianana isika», hoy ny depiote IRD, Raholdina Naivo, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fanambaran’ireo depiote 15 hoe tsy itokiana hitsara fifidianana ny Fi­tsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) noho ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpanatanteraka. Fi­kambanan’ny mpanao politika resy tamin’ny fifidianana ireo nanotrona azy ireo teny Ambohimanambola. Mitady toerana hoe hotendrena amin’ny fitondrana Tetezamita vaovao.
Raha ny asa vitan’ny filoha Rajoelina sy ny fitondram-panjakana ankehitriny, tokony ho vita fihodinana voalohany ny fifidianana. Izay no tokony ho izy. Satria tsy tao anatin’ny fitondrana sy tsy mbola nanao asa firy aza, voafidy soa aman-tsara. Mitodika amin’ny vahoaka malagasy tsy ho voarebireby intsony izy, fa handeha ny fifidianana. Ara-dalàna ny Ceni sy ny HCC. Ny la­làm-pifidianana nahavoafidy ny filoha Rajaonarimam­pia­nina no mbola miasa amin’izao fotoana izao.
“Tsy matahotra fifidianana izahay”, hoy izy. Mbola hirotsa-kofidina ary terena hirotsaka ny filoha Rajoelina. Be ny asa mbola tokony hotohizina sy hotanterahina, an­koatra an’ireo efa vita. Tsy tokony hiroaroa saina ny vahoaka. “Izahay kosa amin’ny maha ao anaty fitondrana anay, indrindra amin’ny maha mpitondra fanjakana: tsy hanaiky intsony ny fanakorontanana sy fandrebirebena, fa matoky tena amin’ny fifidianana”, hoy ihany izy. Efa mipetraka hatrany amin’ny fokontany ny fototry ny antoko.

R. Nd.

Partager sur: