Tafiditra anatin’ny faritra mena amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana i Madagasikara, raha ny tatitra navoakan’ny Union internationale pour la conservation de la nature (UICN) tamin’ny 2020. Mahatratra 15000 isan-taona ireo zava-mananaina ahina ho lany tamingana eto Madagasikara nanomboka ny taona 2022.
Nankalazaina omaly tetsy amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny adiny iray ho an’ny tany teto Madagasikara. Tanjona ny hampandraisana andraikitra ny tsirairay manoloana ny fahasimban’ ny natiora, raha ny nambaran’ ny tomponandraikitra. Tompon’andraikitra avokoa ny tsirairay amin’ny fahasimbana sy fikajiana ny tontolo iainana. « Miaina, mitia sy miaro ary mitandro ny zavaboahary izahay ao anatin’ny skotisma », hoy i Mirana, mpiandraikitra eo anivon’ny Fanilon’i Madagasikara. Nilaza izy fa aseho sy iainana amin’ny alalan’ny fanabeazana ireo ankizy izany. Nohamafisiny fa tokony hizatra ny tsirairay hanokana fotoana isan’andro ho an’ny tany. Aseho amin’ny alalan’ ny fikajiana azy izany, araka ny nambarany. Ohatra, ny tsy fanariana fako eny an-dalambe, ny fahaizana mampiasa sy manodina ny angovo azo havaozina sy ny plastika…
Nomarihina tamin’ny hetsika
Nanamarihana izany ny dia an-tongotra naharitra adiny 5 teny an-toerana. Nisy ihany koa ny fampirantiana momba ny fikajiana ny tontolo iainana. Nandray anjara tamin’izany ireo fikambanana mpiara-mias. Ankoatra izay, nampianarina hanodina plastika sy hampiasa angovo azo havaozana ireo tanora tonga teny an-toerana.
Tonga nanatrika izany ny tanora maro avy eto Antananarivo. Anisan’izany ny avy amin’ny Firaisan’ny skotisma. Notohanan’ny Unicef Madagascar, WWF Madagascar, Namako ny tany… ny hetsika.
Mino (mpianatra asa)