Tsy tanteraka hatramin’ny farany. Nikasa hanao hetsika famoriam-bahoaka tany Mananjary ireo depiote sy ny Mihava Tour. Niharan’ny sakantsakana anefa izany…
Tafiditra amin’ny toerana manokana, an’ny depiote Mamihaja Charlot, ihany ireo mpanohana ny Mihava Tour sy ireo mpiara-dia amin’ireo solombavambahoaka na teo aza ny sakantsakana. Tsy afaka nampiasa ny fanamafisam-peo sy ny lampihazo anefa izy ireo fa nomena minitra vitsy nanazavana ny toe-draharaha. Nitohy teny ambony fiara ny lahateny fohy nataon’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny. “Efa fandresena sahady ho antsika izao… Mbola ho avy izahay hiverina eto amin’ny manaraka”, hoy izy.
Tsiahivina fa efa niatrana vao maraina tany amin’io toerana, 8km miala an’i Mananjary, toerana hanaovana ny hetsika io ireo mpitandro filaminana. Mazava ny azy ireo fa nahazo baiko ny tsy ahazoana manao hetsika eo amin’io toerana io ireo depiote.
Nahazo alalana ny Tim
Niezaka nandresy lahatra azy ireo zandary ny solombavambahoaka, miisa 9. “Manan-jo hanao tatitra amin’ny vahoaka izahay araka ny voalazan’ny lalàna”, hoy izy ireo. Tsy nanaiky anefa ireo mpitandro filaminana ka nanolotra vahaolana hafa indray ireo depiote ny amin’ny hijerena toerana hafa raha ny Mihava Tour no olana ka hatao eo amin’io toerana io ihany ny tatitra sy ny seho iarahana amin’ny artista. Nampitahain’izy ireo amin’ny fahazoan’ny Tim alalana hanao hetsika ny sabotsy teo, teny Ambohimanarina, izany saingy tsy naharesy lahatra ireo zandary. Nanamafy izy ireo fa baiko sy fanapahan-kevitry ny préfet ny tsy fahazoana manao ny hetsika ka niafara amin’ny lahateny fohy izany ary samy nirava izany avy eo.
Synèse R.