Faribolana Sandratra : narahina « Alimbetso » ny « Zarafanahy » XII

Tolakandron’ny asabotsy 25 marsa teo, nafana ny fihaonan’ny « mpiraifaribolana » sy ny mpanatrika mpitia asa soratra, tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM / GZ) tohatohabaton’Antani­na­renina. Tafaraka sy nifandimby teny an-tsehatra ireo mpanoratra 13 mianadahy avy ao amin’ny Faribolana Sandra­tra. Samy naneho ny talentany amin’ny fanoratana sy fiantsana ny tsirairay. Ireo sanganasa anisan’ny nanaitra sy nisarika ny mpanatrika rahateo no toa voafantin’izy ireo hantsaina eny an-tsehatra.
Tsy nijanona teo fa notohizana tamin’ny fanatanterahana ny Zarafanahy tany Ando­hamandry Ambohim­alaza ny fandaharam-potoanan’ny « mpiraifaribolana ». Nana­tan­te­rahana ny antsa tononkalo, fiaraha-mifaly sy mikorana hoenti-mifankafantatra, mifanakalo traikefa, dinidinika ho fanatsarana ny tontolon’ny soratra, sns.
Marihina fa fotoana lehibe hifankahitan’ireo mpanoratra zoky sy ny zandry ny hetsika Zarafanahy sy ny Alimbetso, tanterahin’ny Faribolana San­dratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: