Hamafisina ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo miaraka amin’ny GIZ-Prosar izay manana tanjona hampihena ny tahan’ny olona tsy ampy sakafo eto Madagasikara sy amin’ny faritra Atsimo Atsinanana manokana. Nikarakara fifaninanana handraisana mpikambana vaovao ho tompondaka ho an’ny fanjarian-tsakafo ao anatin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny GIZ-Prosar sy ny fikambanana ASOS. Hanampy amin’ny fampivelarana ny tambajotran’ny tompondakan’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo (Chanut Madagascar), izay efa manana mpikambana eto Analamanga sy Atsimo Andrefana. Nitsarana azy ireo ny fandraisana anjara amin’ny hetsika amin’ny ady ho an’ny fanjarian-tsakafo tao anatin’ny telo taona farany. Nisongadina ny mpandray anjara telo taorian’ny fifantenana ny antontan-taratasy sy fifanatrehana mivantana natao ny herinandro lasa teo tany Farafangana. Julianna Valerien, mpanao gazety solontenan’ny RNM sy TVM ao Vangaindrano no nahazo ny laharana voalohany. Shequel Rossii, mpanakanto sady mpanabe avy ao amin’ny Cisco Vondrozo no tafiditra faharoa. Ramiandrisoa Tovoson, filohan’ny fikambanan’ny mpanabe olon-tsahala ao Farafangana no laharana fahatelo. Hiatrika fiofanana eto Antananarivo avy hatrany izy telo mianadahy voalohany amin’ity herinandro ity.
Niorina ny taona 2016 ny Chanut ahitana mpanao gazety, mpanakanto, depiote ary mpanao fanatanjahantena mitatitra ny zava-misy momba ny tsy fanjarian-tsakafo eny ifotony aorian’ny fanadihadiana nataony. Zava-dehibe sahanin’ny tambajotra koa ny ady sisika hampiakarana hatrany ny sora-bola atokan’ny fanjakana ho an’ny fahasalamana misy ny ady ho an’ny fanjarian-tsakafo.
Vonjy