Filoha teo aloha, Ravalomanana : “Tsy anisan’ireo mitaky fitondrana tetezamita ny Tim”

Notanterahina ny sabotsy teo, teny Ambohimanarina, ny hetsika fifampiarahabana eo anivon’ny Tim eny amin’iny boriborintany iny. Nam­ba­ran’ ny filoha nasionaly, Ravalo­manana Marc tamin’izany fa tsy azo ekena ny hevitry ny sasany. “Tsy anisan’ireo mitaky na mikononkonona fitondrana tetezamita izany isika. Efa izao ny fahoriana mahazo antsika sy ny firenena ve mbola hanao izany ihany ? Tsy azo ekena izany. Haroso mialoha aza ny fifidianana any amin’ny firenen-kafa… Aleo amboarina ny HCC sy ny Ceni eto amintsika”, hoy izy. Nohitsiny fa haka fahefana amin’ny alalan’ny fifidianana ny Tim ka nanentanany ny rehetra hisoratra anaty lisi-pifidianana izany.
Nanteriny indray koa fa tsy hanaiky intsony toy ny nanekeny ny fanodinkodinana ny fifidianana, ny taona 2018, ny tenany.

Fifampitokisana

Etsy andaniny, anisan’ireo nandaha-teny ny depiote Razara Pierre Fidel na i “Del kely”. Nambarany tamin’izany fa nisy iraka manokana nampanaovin’ny filoha nasionalin’ny antoko, Ravalomanana azy ka hamita izany hatramin’ny farany izy. Nentaniny koa ny rehetra tsy hiroaroa saina. “Aoreno ny finoantsika sy ny fifampitokisana. Aza manaiky rebireben’ny sasany”, hoy izy.
Tsiahivina fa tsy nisehoana sakantsakana nataon’ny Emmo/Reg, tahaka ny nitranga teny Itaosy, ny herinandro teo, ny hetsika teny Ambo­himanarina.

Synèse R.

Partager sur: