Fisondrotry ny toekarena malagasy: noho ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ihany

Mandalo fotoan-tsarotra ny toekarena malagasy, araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena farany tamin’ny 24 marsa 2023. Marefo ny toekarena amin’ny ankapobeny, ary voasokajy anisan’ny firenena mahantra indrindra i Madagasikara.

Nisy 5,7 % ny fisondrotry ny harinkarena ta­min’ny 2021 na teo aza ny Covid-19 sy noho ny fiovan’ny toetr’andro ary ny tontolo iainana mamparefo hatrany ny toekarena mala­gasy.
Tsy hita loatra ny fandrosoana avy amin’ny fandaharanasa fampandrosoana an’i Madagasikara (PEM)*, satria tsy ampy ny famokarana eto an-toerana. Raha nisy ny fitomboana taorian’ny 2020 dia noho ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Na teo aza izany, mitombo ha­trany ny fahantrana amin’ny tanàn-dehibe, hita koa ny fi­findra-monina avy any am­banivohitra, tsy ampy ny tolotrasa, ary maivana ny famokaran’ny orinasa tsy miankina.
Nihemotra 3,8 % ny harinkarena tamin’ny 2022, indrindra noho ny loza voajanahary sy ny krizy eran-tany. Fian­dohan’ny taona 2023, mbola rivodoza roa no namely an’i Madagasikara, vao mainka nanapotika ny lalana, nampisy tondra-drano nanimba voly, sy ny sehatra sosialy maro.
Noho ireo, niakatra 27 % indray ny tahan’ny fahan­trana. Tanjona ny hampitombo 4,2 % ny harinkarena faobe amin’ity taona ity, ary 5 % amin’ny 2024, noho ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ihany, sy fisokafana bebe kokoa amin’ny zotra ana ha­bakabaka.

Mihalafo ny vidin-javatra

Saingy mihalafo hatrany ny vidin-javatra ilaina andavanandro, indrindra ny sakafo, lafo loatra ny angovo, tsy araka ny fahefa-mividin’ny tokantrano maro, mampitombo hatrany ny fahantrana. Ma­nam­bara izany ny fahamaroan’ny mpivarotra sy ny tsy fandri­ampahalemana amin’ny tanàn-dehibe.
Matiantoka 3,1 % ny harin­karena faobe tamin’ny 2022, raha 2,8 % tamin’ny 2021, noho ny fisian’ny olana teo amin’ireo orinasa mpaninjara solika sy ny fanjakana. Ni­tombo anefa ny tetibola ankapobeny amin’ity 2023 ity, ary hohatsaraina ny fandaniana sy ny fampidiram-bolam-panjakana. Hita ihany anefa ny fandaniana tsy araka ny tokony ho izy.

Ndrina
PEM* : Plan Emergence de Madagascar

Partager sur: