Hetsiky ny “Jamais mort” : nisitraka jiro ireo fokontany any Vangaindrano

Nanao hetsika sosialy tany amin’ny distrikan’i Vangain­drano ny fikambanana Jamais Mort, ny farany herinandro lasa teo. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2023 izany ka nanoloran’izy ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 30, manana tanjaka 800 wh. Na­tolotra sy notsinjaraina amin’ny fokontany telo, ahitana ny any Nanasana sy Mahandroa ary Ampasimalemy izany. “Valimbabena sy ho fampandrosoana ny tanàna niaviana izao amin’ny maha zanak’ireo fokontany ny ankamaroan’ireo mpikambana”, hoy ny mpitarika. Manampy izany ny fitsaboana maimaimpoana sy fanalana nify, niarahana amin’ny mpitsabo momba izany.

Firaisankina sy fihavanana

Tsy vitan’izany fa nanolotra omby ho an’ireo Ampan­jaka telo Troky ny fikambanana sy ny Zanakala ary ny Tetikasa Zavamanitra. Tafidi­tra amin’ny fanajana ny ray aman-dreny sy famerenana ny firaisankina ary ny fihavanana, ary anatin’ny kolotsaina An­tesaka izany. “Eo koa ny fizivana misy eo amin’ny faritra atsimo iny ka nanoloran’ny Tetikasa Zavamanitra sy ny Zanakala izany, mba ho fanamafisana ny firaisankina sy ny firahalahiana”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa mifantoka amin’ny asa sosialy sy ny fampandroasana ny faritra ny fikambanana tao anatin’ny17 taona nijoroany ary efa ahitana mpikambana maherin’ny 1 000 manerana ny Nosy.

Synèse R

Partager sur: