Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahadimy (CSP 5) Mahamasina, omaly tamin’ny 1 ora maraina teny Madera Namontana, ny jiolahy iray raindahiny amin’ny fanafihana. Naharay antso ny polisy fa misy andian-jiolahy nanafika tranona ramatoa iray eny Namontana. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola 4 hetsy Ar sy telefaonina finday roa. Efa nifanenjehan’ ny fokonolona ireo jiolahy ka tratra ny iray. Saika tratran’ny fitsaram-bahoaka izy saingy tonga ara-potoana ny polisy naka azy ka voasoroka mialoha ihany izany. Mbola tratra teny aminy ny sabatra sy jiro fanao am-paosy. Nandritra ny famotorana azy no nahafantarana fa iray amin’ireo “Bande de six”, izay mampikaikaika ny mponina eny Namontana sy ny manodidina io andian-jiolahy io. Tafatsoaka ny namany fa izy no nifanehatra tamin’ny fokonolona sy ny polisy. Tsy vao izao izy no manao ny asa ratsiny eny Namontana fa efa hatry ny ela araka ny filazany manoloana ny polisy mpanao fanadihadiana.
Tsiferana R.