Notorin’ olon-tsotra : naiditra am-ponja i Lola Rasoamaharo

Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly alina, i Lola Rasoamaharo. Notorin’olon-tsotra, nilaza fa saika hakana 885 tapitrisa Ariary tsy ara-drariny izy. Tsy misy idirany amin’ny asa fanaovan-gazety ny raharaha.

Eny Antanimora, nanomboka ny sabotsy alina, i Lola Rasoamaharo sy ny lehilahy iray. Nosambo­rina, natolotra ny fitsarana avy hatrany izy ireo, noho ny fitoriana nataon’olon-tsotra azy ireo. Voalaza fa nanao ramatahora sy nikasa haka vola tsy ara-drariny izy ireo. Nitantara ny nanjo azy, ta­min’ny mpanao gazety, omaly, ny lasibatra, Razaka Brigitte sy ny mpisolovava azy, ny Me Andriamparaniriana Fanaja. Nambaran’izy ireo teny Am­bodivona fa nanao ramatahora io olon-tsotra io sy ny vady aman-janany, nilaza ho nanalabaraka azy ireo i Lola raha toa ka tsy omena azy io vola io. “Nofenoiny tamin’ny rindrina ny anarako ary nam­piany ompa ny volana janoary teo”, hoy ny mpitory. Anisan’ ny notanisainy tamin’izany ny fanalam-baraka, fanevate­vana, fanerena an-kolaka handoa vola tsotra izao. Nilaza ho matahotra ny ainy sy ny vady aman-janany ka voatery na­metraka fitoriana ny mpitory.
Nohamafisin’ny mpisolovava, tetsy Ambodivona izany tamin’ny alalan’ny tafa fohy nifanaovana tamin’ny mpanao gazety.

Tsy amin’ny maha mpanao gazety

Etsy andaniny, nambaran’ ny mpitory tamin’ny mpanao gazety koa fa tsy misy hifandraisany velively amin’ny maha mpanao gazety sy tompon-gazety an’i Lola Rasoa­maharo izao raharaha izao. “Adin’olona tsotra izao fitoriana ataonay izao”, hoy ny mpitory.
Tsy mbola naneho hevitra momba izao kosa ireo andaniny, notoriana. Fantatra fa tsy hijanona hatreo ny fitoriana ataon’olona azy ity, araka ny loharanom-baovao. Maro ireo nilaza ho lasibatra no hanara-dia ireto fianakaviana ireto. Hamaky bantsilana ny raha­raha mampiahiahy sy mety mahavoasaringotra an’i Lola Rasoamaharo izy ireo.
Araka izany, andrasana aloha izany ny hiakaran’ny raharaha eny amin’ny fitsa­rana.

Synèse R.

Partager sur: