Orange Pro League : lavon’ny TFFC ny Uscafoot

Tsy nampoizin’ny rehetra ny voka-dalao tamin’ny andro faha-11 ny fifaninanam-pirenena, Orange Pro League (OPL). Lavon’ny Tsaramandroso For­mation FC (TFFC) Boeny, tamin’ny isa 3 no ho 1, ny Uscafoot Analamanga. Fihao­nana notanterahina tetsy amin’ ny kianjan’Ambohidra­trimo, ny sabotsy 25 marsa lasa teo. Raha hiverenana ny lalao, ny TFFC no nitarika, tamin’ny isa 2 no ho 0, teo amin’ny fi­zaram-potoana voalohany, baolina tafiditr’i Christiano, lohalaharana TFFC, ny minitra 19 sy 30. Mbola nampian’i Phile­mon, irakiraka TFFC, ny isa teo amin’ny fizaram-potoana faharoa (64 min). Tany amin’ ny fe-potoana fanampiny (90+3) vao nahatafiditra bao­lina tokana ho an’ny Analamanga i Johary. Io isa 3 no ho 1 io no nisarahana. Nahazo isa telo, araka izany, ny ekipan’ny Boeny taorian’ io lalao io, sady voafidy ho mpilalao mendriky ny lalao i Christiano.

Fitia (Mpianatra asa)

Ireo voka-dalaon’ny andro faha-11

Kaonferansy avaratra
Cosfa (4) vs (1) Tia Kitra FC
Uscafoot (1) vs (3) TFFC
Kaonferansy atsimo
Mama Fc (4) vs (2) 3FB Toliara
Dato FC (2) vs (0) Zanakala FC

Partager sur: