Mizotra an-tsakany sy an-davany ny fanomanana ny andiany faha-3 amin’ny hetsika Sesam (Sports Extrêmes et Salon des Arts martiaux), hatao ny 5, 6, 7 mey izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Ho fanomezana fahafaham-po ireo mpitsidika, niaraka nanao fanazaran-tena sy famerenana, ny seho hataon’izy ireo, ny mpandray anjara amin’ity hetsika ity, omaly, teny amin’ny Dojo Aska, 67 ha. Nambaran’ny Maitre Edouard, fa hampivondrona ny taranja arts martiaux no tanjon’ny Sesam ary hanampy ny tanora hisafidy ny taranja mety aminy ka hanome ny tsara indrindra ireo mpandray anjara rehetra. Tsiahivina, manohana ity hetsika ity ny “Association Aro” sy ny A+ Services ary mbola miantso izay malala-tanana ny Sesam hifanohana amin’izy ireo. Taranja miisa 20 no ho avy ho an’ny “arts martiaux” ary maherin’ny 20 kosa ny “Sports Extrêmes”.
Mi.Raz