Somary nangingina ny sehatry ny teatra malagasy tao anatin’ny taona vitsivitsy. Manomboka miverina maka ny toerany kosa izy ankehitriny. Mbola tafapetraka amin’ny maha izy azy ny teatra ary mbola maro ihany koa ny mpankafy.
Tontosa ny Alahady 26 marsa 2023, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo, AFT Andavamamba, ny fampisehoana nampitondraina ny lohateny hoe « Lovasoa ». Fampisehoana teatra niarahana tamin’ny fikambanana Sakaizan’ny teatra malagasy (STM), avy ao amin’ny Lycée J. J. Rabearivelo Analakely sy ny Fikambanana mpanao teatra malagasy. Ankoatry ny efa mpankafy teatra eo anivon’ny sekoly J.J Rabearivelo. Tonga nijery ity fampisehoana ity ihany koa ireo oloben’ny teatra malagasy sy ny efa mpankafy azy ity hatramin’izay.
Seho an-tsehatra sy tantara niavaka no nolalaovin’ny tanora avy ao amin’ny fikambanana STM. Anisan’izany ny tantara notsongaina avy tao amin’ny Imaintsoanala, le lamba ary tononkalo. « Manana tombony lehibe ny ankizy sy ny tanora milalao sy misehatra eo anivon’ny teatra. Manampy azy ireo amin’ny fiatrehana ny fiainany izany, indrindra amin’ny fitenenana imasom-bahoaka», hoy ny tompon’andraikitry ny fikambanana STM. Araka ny nambaran-dRavaloson Mbato, manatalenta tokoa ireo tanora ary afaka hatasaraina hatrany ireo lesokakely “Taratra ny famirampiratan’ny hoavin’ny teatra Malagasy, manoloana ireto tanora lina sy miantsehatra eo anivon’ny teatra ireto”, Hoy Ravaloson Mbato, mpandrindra an-tsehatra.
Lin (Mpianatra asa)