Notontosaina, omaly, teny Ambatobe ny lanonam-pamoahana ny andia « Miray », mpikabary niofana tao amin’ny Taria Mikabary. Andiany faha-4 navoakan’ity fikambanana ity izy 19 mianadahy ireto, raha ny fanazavan-dRajoelison Dimby Tahiana, filohany. Tazana ao anatin’ny andia « Miray » avokoa ny sokajy taninkentsa, mpiofana, mpandalina ary ny mpampianatra.
Niavaka noho ireo teo aloha izy ireto, satria nisy ny fiofanana hafa nomen-dRakotoarisoa Tsilavina, mpiahy ny andia « Miray », raha ny fanazavan’ny filohan’ny Taria Mikabary hatrany. « Nisy dinika sy tafatafa ary fanabeazana niarahana tamin-dRakotoarisoa Tsilavina. Nandray lesona avy any aminy koa ny andia « Miray ». Anisan’izany ny fiofana momba ny fitantanana, fitsinjarana ary indrindra ny fahaiza-mitondra », hoy hatrany izy.
Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana nandritra ity famoahana andia « Miray » ity ny fampahafantarana ny fikambanana Taria Mikabary sy fizarana mari-pahaizana ary ny fisalorana lamba ireo 19 mianadahy.
Nangonin’i
HaRy Razafindrakoto