Araka ny tatitra faha-6 nataon’ny GIEC*, mahatratra 3,5 miliara ny isan’ny olombelona miaina amin’ny loza ateraky ny fitomboan’ny hafanana eto ambonin’ny tany. Mitaky ezaka betsaka ny atao. « Maika ny mamaritra fepetra, ary raha amin’izao fotoana izao no manao izany, mbola azo antoka ny hoavy maharitra ho an’ ny rehetra », hoy i Hoasung Lee, nitarika ny fikarohana.
Ny fikarohana goavana nataon’ny GIEC, manambara fa misy fiantraikany any amin’ny fahalalan’ny olombelona ny fitombon’ny hafanana, vokatry ny fiparitahan’ny ‘’gaz à effet de serre’’ miaraka amin’ny gazy karbonika (CO2). Hita izany, ohatra, eto an-dRenivohitra. Raha mbola mihamaro ny fampiasana solika, hitombo hatrany ny hafanana eto ambonin’ny tany.
« Zava-dehibe amin’io fikarohana io, raha ampitahana amin’ny lasa, hita fa tandindonin-doza izao tontolo izao, ary mety hitombo hatrany ny hafanana » , hoy i Matthias Garschagen, iray amin’ireo
93 nanao ny tatitra. «Potika ny tontolo iainana, toy ny efa misy amin’izao fotoana amin’ ny fitsoniky ny ranomandry», hoy ihany izy. Ny zanak’olombelona anefa tsy namokatra CO2 maro indrindra noho ny tamin’ny 2022.
Ny vahaolana, mila ahena haingana ny fiparitahan’ny ‘’gaz à effet de serre’’. Varimbariana ny zanak’olombelona fa ny loza efa mihatra, indrindra aty amin’ny tany mampiasa solika betsaka.
Ndrina
GIEC* : Groupe d’experts intergouvernemental
sur l’évolution du climat