Notanterahina omaly, tetsy amin’ny FJKM Analakely, ny fotoam-pivavahana natao ho an’ny tanindrazana sy ny vahoaka,amin’izao fahatsiarovana ny 29 marsa izao. Nampita hafatra fohy tamin’izany ny filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi. Notsiahiviny ny fangatahana vavaka mba hampahomby ireo dingana samihafa hamorian’ny fiangonana efa-tonta ny zanany. Hotanterahina intelo miantoana izany, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny zaikabe tany Ambatondrazaka tamin’ny taona lasa. Hanomboka ny alarobia ka hatramin’ny zoma izao eny amin’ny Fofikri Ilafy. “Fanomanana ny fihaonana hatao amin’ny volana mey izany ary haravona amin’ny fikaonandoha amin’ny volana aogositra avokoa ny hevitra rehetra”, hoy izy.
Hatsangana ny Andrimaso FFKM
Nanteriny fa handray anjara amin’ny fiainam-pirenena ny FFKM amin’ny alalan’ny fananganana ny Andrimaso, hanara-maso ny fifidianana. Homasahana izany ka tanjona ny hahamafy orina sy hipetrahan’ny fahamarinana eto amin’ny firenena. Eo koa anefa ny hijerena ny fiainam-pirenena manontolo, araka ny nambarany hatrany. Nambarany fa mbola hitohy ny fihaonan’izy ireo amin’ny tomponandraikitra samihafa mba hampahomby izany fikaonandoha izany.
Tsiahivina fa nitarika ny fotoam-pivavahana, omaly ny FFKM eto Antananarivo Renivohitra.
Synèse R.