Mbola tapaka ny lalana mampitohy ny rond-point Ankadimbahoaka sy ny rond-point By pass, raha ny fanambarana navoakan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, omaly. Nohamafisin’izy ireo fa mbola mitohy ny asa fanamboaran-dalana eny an-toerana no anton’izany. Marihina fa efa eo am-pamaranana ny asa ny orinasa ankehitriny. Hiverina hisokatra amin’ity herinandro ity io ampahan-dalana io, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tsy nisy fe-potoana sy daty mazava moa izany.
Anisan’ny betsaka fiara mandeha eny amin’ny lalam-pirenena RN7 iny. Ahitana fitohanana lavareny eny an-toerana , indrindra ao anatin’ny asa fanamboarana sy ny fahatapahan-dalana. Mahatratra hatramin’ny adiny iray farafahakeliny izany, raha ny fanazavan’ny mpandeha nanaovana fanadihadiana. Nanomboka ny 14 marsa teo ny fanelingelenana nahazo ny mpampiasa ny lalana noho izany. Tsiahivina fa tapaka nanomboka ny 18 marsa teo ny lalana eny an-toerana. Tokony ho niverina amin’ny laoniny sy nisokatra ny alahady teo izany.
Mino (mpianatra asa)