Ankatoky ny fetin’ny Paka : lehilahy hita faty natsingevan’ny ranomasina

Fatin-dehilahy iray 40 taona no natsingevan’ny ranomasina ny alahady teo manamorona ny tetezan’ny Ho­pitalibe Toamasina. Tsy fantatra mazava ny nahafaty ity niharam-boina ity. Tsy nahitana faritra mangana na maratra ny vatany nandritra ny fizahana nataon’ny BMH. Tsy nisy akanjo intsony kosa teny aminy. Tombanana ho nilomanano tany ho any izy ka natelin’ny rano ary natsipitsipin’ny onjan-dranomasina. Na­terin’ny BMH ao amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe Toa­masina ny razana miandry ny fianakaviany haka azy. Na­nazava ny teo anivon’ny hopitaly fa aorian’ny 72 ora, rehefa tsy misy maka ny razana dia voatery halevin’ny vondron’ny mpamonjy voina. Raha tsy misy ny fianakaviana maka azy, ho hita eo ny fanadihadiana hahafantarana izay mety ho marina momba izany. Mbola nanamafy hatrany ny tomponandraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’i Toamasina fa fady rehefa anatin’ny fetin’ny Paka na fety hafa ny filomanosana ranomasina ao Toamasina, indrindra ho an’ireo avy nihinana henan-kisoa. Misy faritra tena tsy azo ilomanosana fa misy kosa tsy mampaninona saingy mila fitandremana.

Sajo/J.C

Partager sur: