Antsiranana II : horita maherin’ny 20.000 kilao, azo tao anatin’ny iray andro

Mihatsara hatrany ny fitantanana ny hazandrano horita any amin’ny distrikan’Antsiranana II, faritra Diana. Nahatratra 20.000 kilao ny horita azo nandritra ny fotoana nanokafana ny fotoam-panjonoana sady nihatsara koa ny vidiny. Hitarina amin’ny karazana hazandrano hafa, toy ny lamatra sy ny drakaka ny fametrahana fotoam-pikatonan’ny jono ao amin’ny faritra Diana.

Nosokafana ny 22 marsa teo ny fotoam-panjonoana horita ho an’ny taona 2023 any amin’ny kaominina Ambodiva­hibe sy ny manodidina, ao anatin’ny distrika Antsira­nana II. Nahafa-po ny vokatra amin’ny ankapobeny, satria misy fivoarana hatrany ny horita azon’ny mpanjono. Nitotaly 20.283 kilao ny horita azon’ny mpanjono tany amin’ny tanàna sivy amin’ireo 16 niaraka nanokatra ny fotoam-panjonoana. Nahatratra 100 kilao ny horita betsaka indrindra azon’ny mpanjono iray, ary 93 kilao ny tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Angen­gato. Manodidina ny 30 kilao isaky ny mpanjono ny salanisan’izy ireo.
Tsikaritra fa nihena kely io lanja azo tamin’ny andro nanokafana ny jono io raha oharina ny taminn’ny herintaona, izay nahatratra 27.000 kilao. Nilaza ny mpandrindram-paritry Di­ana ny Conservation Inter­national (CI) Antsiranana, Razafimandimby Hyacinthe, fa anisan’ny nahatonga izany ny haratsian’ny toetr’andro. Nomarihiny anefa, fa nihatsara izany taty aoriana, satria fanombohana ihany io andron’ny 22 marsa, fisokafan’ny fanjonoana io, izay mitohy mandavan-taona, mandra-pikatony indray. Maharitra telo volana ny fotoam-pikatonan’ny fanjonoana isan-taona.
Nihoatra 500 Ar isaky ny kilao
Mihatsara koa ny vidin’ny horita. Nanaiky hividy 6.000 Ar ny kilao ny mpanangom-bokatra tamin’io andro voalohany nisokafan’ny fotoam-panjonoana io, raha 5.500 Ar/kg ny nifanarahana tamin’ny mpanjono, izany hoe nihoatra 500 Ar/kg.
Manoloana izany, manomboka mahatsapa ny mponina sy ny mpanjono any amin’iny faritr’Ambodivahibe sy ny manodidina iny, fa tena ilaina ny famerana fotoana hanakatonana ny fotoam-panjonoana isan-taona. Satria mitombo ny haben’ny horita, ny fatrany, ary mitombo koa ny karazana ha­zandrano hafa. Tsy mila mandany fotoana ela ihany koa izy ireo mandeha manjono, sady tsy mandeha lavitra.

Hitarina amin’ny hazandrano hafa
Nanamafy ny mpandrindram-paritra Diana, Razafi­man­dimby Hyacinthe, fa hitarina any amin’ny karazana ha­zan­drano hafa koa ny fanakatonana ny fotoam- panjonoana toy izao hatao amin’ny horita izao. Voa­kasik’izany ny lamatra (langouste) sy ny drakaka, ohatra. Efa mandeha ny fanentanana ny mpanjono rehetra ao amin’ny faritra Diana, iasan’ny CI.
Tafiditra ao anatin’ny fanatrarana ny tanjona, hisian’ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina, nefa mi­tondra fampandrosoana izao ezaky ny CI izao.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: