Zava-dehibe ho an’ny mpianatra sy ny taranaka ao Androhibe Antsahadita, distrikan’Atsimondrano, ny fahavitan’ny Lycée sy CEG vaovao ao an-toerana. Notokanana ny faran’ny herinandro teo izany, izay notarihin’ny governoran’ Analamanga, Rasoamaromaka Hery.
Natsangana ho vaovao mihitsy ny fotodrafitrasan’ny Lycée satria efa tena ratsy ka nanaovana ezaka manokana ho mendrika ireo mpianatra. Efitrano fianarana 6 sy biraon’ny mpampianatra 2 no natsangana.
Afaka mandray mpianatra 240 ny Lycée ankehitriny. Mitombo, araka izany, ny mpianatra afaka fanadinana BEPC seconde raisin’ity sekoly ity, izay tombony lehibe ho an’ny tanora eny Atsimondrano.
Vita voatra tsara ihany koa ny CEG izay EPP tany am-piandohana saingy efa handraisana ireo mpianatra afaka fanadinana CEPE izy ankehitriny. Ahitana efitrano fianarana misy efitra 3 mahazaka mpianatra manodidina ny 24 isaky ny efitra.
Mitotaly 600 mahery ny mpianatra afaka mianatra ao amin’ny CEG, miaraka amin’ ny sampany any Morarano.
Taorian’ny fitsidihan’ny solombavambahoaka Ratsivahiny Andry sy ny ben’ny Tanàna ny fotodrafitrasa, teo aloha, no niaingan’ny fanamboarana izay notohanan’ny governoran’Analamanga ara-bola.
Tatiana A