Basikety-ISPM : hampiray ny tanora amin’ny “Mibala Tournament”

Mankalaza ny faha-30 taonany amin’ity taona ity ny ISPM (Institut supérieur Polytechnique de Madaga­scar). Ho fanamarihana izany, mikarakara fifaninanana basikety “Mibala Tournament”, izy ireo, izay hatao ny 17 hatramin’ny 24 avrily izao eny amin’ny kianja mitafo Mahamasina. Fifaninanana misokatra hoan’ny mpianatra amin’ny Oniveriste rehetra manerana an’i Madagasikara, ahitana ekipa 15 lehilahy sy 8 vehivavy. Efa nisokatra ny fisoratana anarana ary hifarana ny zoma 31 marsa izao. Hatao ny 4 avrily kosa ny fivoriana ara-teknika.
Tanjona ny hampiray ny tanora mpianatry ny Oni­versite amin’ny alalan’ny basikety, araka ny nambaran’ ny Tale jeneralin’ny serasera sy ny fifandraisana ivelany eo anivon’ny ISPM, Raboanary Tantely. Nosafidiana manokana, hoy izy, ny basikety satria efa taranja nahafantarana ny ISPM nanomboka tamin’ny niforonany. Mbola hisy kosa ny hetsika hafa amin’ny taranja sasany ho avy. Hampiavaka ny hetsika ny fisian’ny fifaninanana “Dunk”, isa 3, “saut vertical”, … Ho hentitra kosa ny mpikarakara amin’ny fanarahana ny fitsipika ary hanara-maso ny mpilalao tsirairay. Tsy maintsy misoratra ao amin’ny oniversite hisoloany tena, ny mpilalao iray vao afaka mandray anjara, raha ny fanazavan’ny mpikarakara.
Misy vidim-pidirana 2000 ar isaky ny lalao, amin’ny hetsika ary hampahafantarina miandalana kosa ny daty hanaovana ny famaranana, izay hatao mipoaka be, araka ny nohamafisin’ny mpikarakara hatrany.

Mi.Raz

Partager sur: