Natolotra an’i Bebe Marie Margueritte, omaly, ny “titre” manaporofo fa azy ny taniny. Nanatitra izany teny amin’ny trano fonenany eny Ambohipo Tanàna ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany. “Tsy maintsy mitazona ny teny nomeny ny minisitera amin’ny fanampiana an’i Bebe Marie Margueritte”, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, Ramaholimasy Holder. Nohamafisiny fa hovahana avokoa ny olan’ireo Malagasy amin’ny fananan-tany ka very fananana tsy fidiny noho ny fibodoan’olon-kafa izany.
“Nanao ny fifampivarotana tamiko ny mpanofa ny taniko nanomboka ny taona 2019”, hoy i Bebe Marie Margueritte, 97 taona, raha nitantara ny zava-misy. Nibodo taminay ny tany io olona io nanomboka teo, raha ny fanambaran’ny zanany lahy. Voalaza fa mahitahita sy mahafantatra olona izy io, araka ny fanazavana voaray.
Boky rovitra
Raha tsiahivina, nitaraina tao anaty tambajotran-tserasera izy nanomboka ny fiandohan’ny volana marsa teo. Nilaza fa bodoin’ny mpanofa ny taniny ary lazainy fa azy. Efa niakatra fitsarana foana ny raharaha nanomboka tamin’ny 2019 fa resy foana izy tamin’izany. Satria voalaza fa rovitra ny boky momba izany tao amin’ny Fananan-tany.
Taorian’io, nidina ifotony nijery ny zava-misy teny amin’ny trano fonenany ny minisitera. Ny 2 marsa lasa teo, nolazain’ny minisitra fa hovahana ny olana mahazo azy taorian’ny fifampiresahana teo amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ka izao nahitam-bahaolana izao.
Mino (mpianatra asa)