Fambolen-kazo: nanatsatoka zanakazo 6.500 isa ny antoko Maitso

Nanatanteraka ny fambolen-kazony ho an’ny taona 2023 ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara, ny sabotsy teo, teny amin’ny fokontany Tsa­ra­ray, kaominina Fieferana, distrika Avaradrano. Miisa 6.500 ny zanakazo nambolena tamin’ny velaran-tany 25 ha, nahitana acacia, aviavy, filao, ravintsara ary hazo fihinamboa. Nanodidina ny 600 ny mpikambana nandray anjara, notarihin’ny filoha nasionaly sady mpanorina, Georget Alexandre mivady sy ny sekretera jeneraly, Ampilahy Laurent. Nanoro ny lafiny teknika fambolen-kazo ny teknisian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd).
Nanamafy ity antoko ity, fa na ao anatin’ny firotsahan’ny orana aza isika, tsy misy vanim-potoana manokana ny fambolen-kazo eto Madaga­sikara. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona ao amin’ny fokontany Tsa­raray, hi­ko­lokoloana hazo voavoly. Nanamafy ny filoha lefitry ny fokontany, fa sarotiny tokoa izy ireo, satria tombontsoa iombonana izany.
Nilaza ny filohan’ny antoko maitso, Georget Alexandre, fa tsy niova amin’ny foto-keviny ny antoko tao anatin’izay 13 taona nijoroany izay. Dia, ny fanomezna-danja sy ny fiarovana ny tany, ary hamafisina ny fanabeazana ny mpikambana rehetra. Mifanandrify amin’ny veliranon’ny filoham-pirenena faha-10, ny hamerenana ho maitso sy handrakofana ala an’i Madagasikara. Ao anatin’ny vovonana Armada sy ny IRD ity antoko ity.

Njaka A.

Partager sur: