Tsy mandry andro tsy mandry alina ny polisy avy ao amin’ny compagnie urbaine d’intervention, sampana iray eo anivon’ny commissariat central, eo ambany fibaikoan’ny kaomisera Rakotondrainivonona Panoël Tsiky. “Tsy maha olom-baovao ny fametrahana fandriampahalemana ho an’ny vahoaka”, hoy izy. Nahitam-bokany izany ezaka izany satria jiolahy efatra niaraka tamin’ny zava-maranitra sy entana halatra, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny fokontany Morarano, parisela 21/13. Taorian’ny famotorana sy fanadihadiana teny anivon’ny polisy, natolotra ny fampanoavana ao Toamasina ry zalahy ka naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy. Nomarihin’ny polisy fa mirongatra izaitsizy ny fanendahana miharo vaky trano ao amin’ny fokontany Morarano. Izany rahateo no antony nahatonga ny polisy nanao hetsika manokana ho famongorana ireo andian-jiolahy mampikaika ny mponina. Nampitandrina ireo jiolahy hatrany ny polisy fa hitohy ny hetsika ary tsy hijanona izany raha tsy mandry fahalemana ny tanàna.
Sajo