Fitantanan-draharaham-panjakana – Toamasina : nolavin’ny fitsarana ny naoty navoakan’ny Prefet

Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tontolon’ny fitsarana niarahan’ny mpitsara sy ny vadintany ary ny mpisolovava teto Toamasina, ny herinandro teo. Voaresaka ny momba ny naoty navoakan’ny Prefet any an-toerana.

Nitarika izany tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ny tonia ambony mpisolo toerana, Ratianarivo Eliasy Edmisy . “Tsy afaka ny hangina izahay manoloana ny naoty navoakan’ny Prefet Toa­masina, ny 9 marsa teo. Fanapahan-kevitra noraisiny manokana iny ary tsy azo ekena  satria amin’ny anaran’ny fitondrana sy ny vahoaka malagasy rehetra ny didim-pitsarana havoakan’ny mpitsara iray”, hoy izy ireo. Nohi­tsin’izy ireo fa mitondra antsika mankany amin’ny tany tsy tan-dalàna izany. Natao ho­tanterahina ny didim-pitsarana, araka ny nambaran’izy ireo.

Hanohy ny asa sy tsy hampanan-kery ny naoty

Notsiahivin’ireto eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana ireto koa fa misy ny rafi-panjakana natao hiandraikitra ny fanatanterahana didy. Anisan’ izany ny mpitandro filaminana, ny vadintany ary koa ny rafitra manara-maso ny fanatanterahana izany. “Aoka ny rafi-panjakana rehetra mba hanohy ny asany ary tsy hampanan-kery ny naoty navoakan’ny Prefet : 35-Mid/Pref/ Toa”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa tsy nisy fakan-kevitra tamin’ny rafitra rehetra mandrafitra ny OMC ny naoty navoakany. Betsaka koa ny fahadisoana tsipelina anatin’ ilay taratasy…

Sajo sy i Synèse R.

Partager sur: