Fivoriana momba ny lavanila: hisokatra amin’ny mpandraharaha hafa ny minisitera

Nampivory ireo mpandraharaha ny Filankevi-pirenena momba ny lavanila (CNV), omaly. Katsahina ny vahaolana maharitra hiatrehana ny olana.Fividianana izany any amin’ny tantsaha mpamokatra sy ny amin’ny varotra iraisam-pirenena. Resaka nifanaovana tamin’ny minisitra misahana ny varotra, Razafindravahy Edgard.

Gazety Taratra(*) : Inona marina ny antony fihaonana anio, tsy efa vita tany Sam­bava ve ?

Minisitra(-) : Fihaonana anio, niaraka tamin’ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila, ary tapaka fa mitohy ny fivorian’izy ireo hitadiavana vahaolana maharitra hiatrehana izao krizy izao. Aoriana kely ho fantatra ihany ny tohiny.

* Inona, ohatra, izay krizy miseho amin’ny lavanila izay ?
– Zavatra roa no miseho : ny fividianana ny vokatra eto an-toerana sy ny krizin’ny varotra. Misy ireo mpandraharaha nahazo alalana na agrément tsy nahatanteraka ny fampanantenana nataony. Raha 10 t ohatra ny tokony vidina eto an-toerana, dia 2 t ihany no vitany.

* Ahoana ny fepetra noraisin’ny minisitera manoloana izany tsy fanajana ny toky nomena izany ?
– Efa nisy fanapahan-kevitra tapaka niarahana nivory tamin’ny Filoham-pirenena ta­min’ny 9 febroary 2023. Ani­san’ny tapaka tamin’izany fa nomena 15 andro ireo efa nahazo alalana hanao ny asany ara-dalàna, sy ny fampodiana vola vahiny 70 %. Misokatra amin’ny mpandraharaha hafa isika hividy ny vokatra eto an-toerana sy hanondrana raha mbola tsy mahafeno fepetra ireo teo aloha.

* Malalaka izany ny tsena matoa hisy mpandraharaha hafa ?
– Tsiahivina fa malalaka foana ny tsenan’ny lavanila hatramin’ny taona 60,70, 80, 90 …., saingy miaka-midina ny vidiny. Nefa raha nametraka ny vidin’ny farany ambany izahay, ho fitsinjovana ny tantsaha mpamboly. Izao ary amin’ny 75 000 Ariary ny vidiny farany ambany efa betsaka ny miolakolana. Raha avela fotsiny amin’izao io, ahoana ny fiantraikan’izany amin’ny tantsaha ? Koa adidin’ny minisitera misahana ny varotra ny miaro ny mpamboly. Toy izany ny amin’ny vary, kakao, jirofo, letisia. Raha­raham-barotra daholo ireo.

*Firy amin’ireo mpandraharaha mpanondrana no nanaja ny fepetra ?
– 88 ireo nahazo alalana hanondrana, nefa 43 ny azo lazaina fa nahafeno ny fepetra notakiana taminy. Amin’izao fotoana izao, jerena ireo mpandraharaha hafa raha hahavita ny tsena anatiny sy afaka ha­nondrana.

* Misy fanantenana ve ny fihaonana androany Atoa minisitra ?
– Matoa mifandresy lahatra, misy ny fanantenana, hita ny tombony ary tokony hisitraka izany ny tantsaha mpamboly. Na aiza na aiza maneran-tany miaro ny mpamboliny. Mana­mafy ny fanohanana ireo mpisehatra koa ny fanjakana. 3200 t ny naondrantsika tamin’ny taon-dasa, nahomby ny vokatra, ary aoka tsy hitaintaina ny mpamboly. Tsy maintsy jerena ny masonkarenany. Antenaina fa hitondra vahaolana betsaka ireo mpandraharaha.

Nangonin’i Ndrina

Partager sur: