Niavaka noho ny fahita hatramin’izay ! Io no nambaran’i Dadafara Lt Production, omaly, nandritra ny famoahana ny rakitsary (DVD) an’ny tarika Dadalora avy any Mandiavato. « Niavaka teo amin’ny fandraisana ny sary sy ny feo ary ny fanatontosana izy ity satria nokajiana fatratra tamina fitaovana tsara kalitao », hoy i Dadafara. Nambarany fa tahaka izany koa ny renihira « Aza sodokan’ny nahatongavana fa jereo ihany ny hiaingana » voarakitra ao anatiny, izay mampita hafatra mafonja ho an’ny rehetra amin’ny maha fanabeazana ny hiragasy.
Iray amin’ireo tarika mpanao hiragasy manana ny lazany ry Dadalora, Mandiavato. Anisan’ny antony nahatonga izany ny fanomezan’ny mpikambana tsirairay lanja sy hasina lehibe ity kolontsaina malagasy ity. Ho an’i Dadafara Lt Production : « mitondra fanabeazana tsara sy mendrika ho an’ny taranaka ny hiragasy. Noho izany, tsy ho very maina ny vola hividianan’ny tsirairay ny DVD tahaka izao fa hitondra soa ho an’ny fianakaviana manontolo ».
HaRy Razafindrakoto