Horonantsary “Fahavalo : zava-dehibe ny fahafantarana ny tantaram-pirenena

Vitsy ny tanora sy ny ankizy no tena mahafantatra ny tantaran’ny tolom-panafahana. Maro ny ezaky ny tomponandraikitra amin’ny fampahafantarana izany, indrindra ny eo amin’ny tontolon’ny horonantsary.

Hotontosaina, anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsa­ha­vola, ny fandefasana ny “Fa­havalo”, horonantsary mampahatsiaro sy mitantara ny zava-nisy nandritra ny tolom-panafahana 1947, notontosain’i Paes Andria­monta Marie Clemence. “Tan­jona amin’izao hetsika izao ny hampahafantarana ny zava-nitranga tamin’izany fotoana izany, sy ny niainan’ireo Mala­gasy tia tanindrazana. Izany indrindra no nanaovana ny fampisehoana ho maimaimpoana ary ho an’ny rehetra”, hoy ny mpikarakara.
Maro ny tsy mahalala ny tantaran’ny fireneny, indrindra ny tolom-panafahana 29 marsa 1947. Fampahafantarana izany no anton’izao fandefasana ho­ronantsary izao. Nantsoin’ny Fran­tsay hoe “Fahavalo” ny Malagasy mpikomy. Nikomy nanoloana ny rafitra mpanjanaka teto Madagasikara, ny taona 1947. Ny fitantaran’ny vavolombelona niatrika izany fikomiana izany, ny tahirin-tsary, ny mozikan’ny mpahay kanto ni­vetso iny ady iny, tsongaina manokana ny an’i Régis Giza­vo. Ireo rehetra ireo no natambatra nahafahana nahazo izao tantara izao. “Zava-dehibe ho an’ny olom-pirenena ny fahafantarana ny tantaram-pireneny. Mahatsiaro tena ho manana adidy sy andraikitra amin’ny fampahafantarana izany izahay, indrindra ity tantara voageja ity”, hoy i Paes Andria­mon­ta Marie Clemence, mpanatontosa horonantsary.
Efa nisy ny hetsika nandefasana ity horonantsary ity, na teto an-toerana izany na tany ivelany. Fahombiazana no azo tamin’izany. Noho ny fangatahan’ny mpankafy sy ny tsy nanana fahafahana tamin’izany no namerenana izao hetsika izao.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: