Tapitra hatreo ny lalana mankany amin’ny “Can Côte d’Ivoire 2023” ho an’ny Barean’i Madagasikara. Resin’ny les Fauves Centrafrique tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipa malagasy. Araka izany, tsy hampiova zavatra intsony ny lalao roa ambiny izay hihaonana amin’i Ghana sy i Angola .
Nopotehin’ny Les Fauves Centrafrique ny nofin’ny Barean’i Madagasikara mankany amin’ny fifaninanana “Can Côte d’Ivoire 2023”. Tsy afa-bela ny ekipa malagasy, fa mbola lavo tamin’ny isa 2 no ho 0 nandritra ny lalao miverina tany Doula Cameroun, omaly 27 marsa 2023. Tsiahivina fa resy tamin’ny isa 3 no ho 0 isika teo amin’ny fihaonana mandroso, izay natao tetsy Mahamasina, ny alakamisy 23 marsa lasa teo.
Raha hiverenana ny lalao, i Mafouta lohalaharan’i Centrafrique no nanokatra ny isa voalohany teo amin’ny minitra faha-41. Niezaka nanohitra ny ekipa malagasy saingy tsy tao ny vintana, ka io isa 1 no ho 0 io nentina niala sasatra. Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, nanova paikady i Nicolas Dupuis, nisy ny fanoloana mpilalao, ka niditra ry Dax sy Rakool ary Donisa saingy tsy nampiova ny vokatra ho an’ny Barea izany fa niampy iray indray ny baolina tafiditr’i Mafouta, ny minitra faha-82. Tapitra tamin’io isa 2 no ho 0 io ny lalao nifanandrinan’ny roa tonta.
Tsy manan-danja intsony ny lalao roa ambiny
Tsy misy lanjany intsony, araka izany, ny lalao hifanandrinantsika amin’i Ghana, ny 12 jona ho avy izao etsy Mahamasina sy i Angola ny 4 septambra ho avy io. Marihina fa isa iray ihany ny ananan’ny Barea ary eo amin’ny laharana farany no misy azy. Tsiahivina fa lavon’i Ghana tamin’ny isa 3 no ho 0 isika teo amin’ny lalao mandroso, raha toa ka ady sahala 1 no ho 1 ny fihaonana voalohany tamin’i Angola.
Fitia (Mpianatra asa)