Namono mpitondra taxi : 9 voasambotra, mpivarotena ny 4

Nangalatra fiara telo teto an-dRenivohitra. Saron’ny mpitandro filaminana ny tambajotran-jiolahy mamono mpamily sy maka ny fiara miasa amin’ny alina, omaly.

Efa mpamerin-keloka amin’ny asa fangalarana, voasambotry ny polisy tetsy Andravoahangy i Nike, ny sabotsy 21 marsa lasa teo. Ny alin’ny 19 marsa tamin’ny 9 ora, naharay antso ny mpitandro filaminana fa misy olona maty hita eo Amboditsiry. Natao ny fizahana ny razana, voatsatoka antsy teo amin’ny fony sy ny tanany io lehilahy namoy ny ainy io. Rotiky ny vono nataon’ireo olon-dratsy koa ny tarehiny. Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana, mpamily fiarakaretsaka ity maty ity. Tsy hita popoka ny fiara nentin’io mpamily io. Niroso tamin’ny fikarohana ny nahavanon-doza ny polisy. Tra-tehaka tetsy Andravoahangy ny jiolahy iray atao hoe Nike sy ny vadiny ary mpivarotena efatra. Niaraka voasambotra tamin’izy ireo koa ny mpandray entana halatra roa lahy. Ny sabotsy 23 marsa, voasambotra tao Sa­botsy Namehana koa i Lava­kely. Jiolahy efa nigadra ary naman’i Nike izay samy namono ilay mpamily taxi.
Namidy 700 000 Ar ny motera

Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy azy ireo, nilaza ireto jiolahy fa sakanan’ireo mpivarotena ny fiara ary miditra i Lavakely sy Nike mamono ny mpamily. Nentina namidy 700 000 Ar ny motera. Neso­rin’izy ireo koa ny kodiarana ary nariany any Mahitsy ny sisan’ny fiara. Ankoatra io halatra fiara niharo vono olona tetsy Amboditsiry io, ity tambajotran-jiolahy ity koa no naka ny fiara Express tao Ambohimanga. Tsy nijanona tamin’ny fakana io fiara io, novonoin’izy ireo mihitsy ny mpamily. Fiara Super 5 iray hafa koa lasibatry ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo teo Anala­mahitsy. Natao famotorana, niaiky ny heloka nataony avokoa izy 9 mianadahy. Tao­rian’ny fanadihadiana azy ireo, atolotra ny fampanoavana ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: