Taorian’ny nahafatesan’ilay dahalo raindahiny Iarisy tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, nandray fepetra avy hatrany ny mpitandro filaminana. “Hampiana ny isan’ny mpitandro filaminana any an-toerana hanamafy ny fandriampahalemana. Mbola mitohy ny asa”, hoy ny kapiteny Andriambeloniaina Toky, komandin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale. Notohizany fa mbola karohina ireo mpiara-dia amin’Iarisy izay mirongo fitaovam-piadina mahery vaika sy mbola mirihariha any an-toerana. Fitohizan’ny asa hatrizay no nahazoana iny vokatra iny. Araka izany, hiara-hiasa hatrany ny mpitandro filaminana, hisian’ny fandriampahalemana maharitra. Tsiahivina fa maty voatifitra Randrianarisoa Elysé na Iarisy, ilay mpampihorohoro ny distrikan’ Anjozorobe, Ankazobe, Andriamena, Ambohidratrimo ary Tsaratanàna tamin’ny fakàna an-keriny sy halatra omby. Mbola ity dahalo raindahiny ity koa no nandoro olona velona ka nahafaty 30 mahery tao Ambolotarakely Ankazobe, ny taona 2022. Ny sabotsy teo, nanafika tao Amboara, kaominina Antanetibe Antaivolo izy sy ny ekipany. Nahery vaika ny fifandonana. Vokany, olona telo namoy ny ainy teo no ho eo, izay zazamena na koa ireo vaomieran’ny fandriampahalemana. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandary avy ao Antanetibe. Nanome tanana ihany koa ny Tafika malagasy. Nitohy teo anelanelan’Anditinina-Soarano, fokontany Mahatsinjo ny fifandonana. Voatifitra tamin’izay Iarisy saingy nentin’ireo namany nitsoaka. Nisy tamin’ireo mpiara-dia aminy koa voatifitra sy naratra. Zazamena iray hafa koa namoy ny ainy.Narahina ireo dian-dra ka hita tamin’izay ilay vata-mangatsiaka. Voamarina tamin’izay fa Iarisy tokoa ilay dahalo maty.
Henintsoa H.