Nitohy ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny andro faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby XXL Top 20. Saika voahaja avokoa ny lojika satria nivoaka ho mpandresy avokoa ireo ekipa goavana. Anisan’ izany, ny namontsanan’ny 3FB an-dry zareo FTBA. Tsy voatohitry ny ekipan’Andohatapenaka mihitsy ry zareo avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Niondrika tamin’ny isa mazava, 51 no ho 15 ry zalahy FTBA. Natanjaka tao anaty “paquet d’avant” ny 3FB, nahitana an-dry Tolotra sy i Zo. Niezaka ihany ny FTBA nanakana azy ireo saingy tsy voatazo-ndry zalahy mihitsy. Nisesy, araka izany, ny baolina nentin-tanana ka anisan’ny nahavita izany, i Sidonie sy i Rija , teo koa i Larkham. Na teo aza izany, tsy nihemotra ny FTBA fa nahatsindry baolina roa ihany koa saingy ny iray ihany no voatsara.
Lalao iray nandrasan’ny rehetra koa ny fihaonana teo amin’ny TFA Anatihazo sy ny FBM Bemasoandro Itaosy saingy tsy nahatosika ny TFA ny mpifanandrina taminy fa resiny tamin’ny isa, 39 no ho 18. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa, 31 no ho 16 koa ny TAM Anosibe, raha nikatroka tamin’ny XV FA ary niondrika teo anatrehan’ny US Ikopa, 23 no ho 19, ny Savony.
Hitohy amin’ny alahady ho avy izao ny andro fahatelo ka anisan’ny lalao goavana amin’izany ny fifandonana eo amin’ny USCAR sy ny FTM Manjakaray, raha tsy misy ny fiovana farany.
Tompondaka