Azon’i Sensei na i Mathieu Aina Sitraka, ny laharana voalohany vonjimaika, taorian’ny fihodinana voalohany tamin’ny “Slam Mastering Contest”, notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo. Tamin’ny isa 29.2 no nahazoany izany laharana izany. Raha tsiahivina, mpanao Slam efa matihanina miisa 5 no mifaninana ao anatin’ity fifaninanana ity. Hanentana ireo hetsika Slam, ara-dalàna, izay mandeha isam-bolana izy ireo ka isaky ny faran’ny volana no mivoaka ny filaharana.
Sensei na Mathieu Aina Sitraka, araka izany, no lohalarana taorian’ireo hetsika Slam natao ny volana marsa. Tojo Ny Aina Indiamahery na India no eo amin’ny laharana faharoa, miaraka amin’ny isa 27.4. Rajoelison Ludo no fahatelo (isa 26.9). Rajaonarivony Manakasina no fahefatra (isa 26.5) ary Andrianiaina Nomenjanahary Orlando no fahadimy (isa 24.5) izay mamarana ny filaharana hatreto.
Lin (Mpianatra asa)