Mamatsy vola ny tetikasa Least-cost electricity acces development (LEAD) tanterahin’ny Jirama ny Banky Iraisam-pirenena. Ao anatin’izany ny fanatsarana sy ny fanitarana ny herinaratra amin’ny vidiny mora. Eo koa ny fampidiran-jiro amin’ny vidiny mora (branchement mora), sy ny famatsiana herinaratra ny toeram-pitsaboana CSB manerana ny Nosy. Hanatanterahana ireo, nisy ny fampitaovana ny Jirama, toy ny kamiao miisa 50, natolotra ny 21 marsa teo.
Haparitaka any amin’ny faritra iasan’ny Jirama sy ny masoivoho miisa 14 eto Antananarivo ireo kamiao ireo. Ho haingana kokoa ny fitaterana ny kojakoja sy ny fitaovana ampiasain’ny Jirama, satria tsy ampy ny fiara eo am-pelantanany.
Ho avy amin’ny manaraka koa ny fitambarana kojakoja (kits) sy ny kaontera ho an’ny « branchement mora ». Azon’ ny rehetra atao ny manatona ny masoivohon’ny Jirama, misoratra anarana hisitraka izany amin’ny sarany 30.000 Ar.
Njaka A.