Nahatsapa hatsiaka ny mponina amin’ny afovoan-tany andro vitsy nisesy izay. Nilaza ny mpamantatra ny toetr’andro fa hamaritra ny toetry ny andro eto Madagasikara ny tsokan’ny Varatraza ka haka ny volon’andro ririnina manerana ny Nosy.
Rahampitso, efa miraraka ny zavona ho an’ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany sy Alaotra Mangoro ny vao maraina. Mety hanelingelina ny fahitana izany ho an’ny mpitondra fiara ka mila mitandrina.
Ny alakamisy, hisy ny tsioka avaratra ka faritra maro no hisitraka oram-baratra. Hanorana ny any amin’ny ilany atsimon’ny Nosy.
Hidina ny maripana any Atsimon’ny Nosy satria hanodidina ny 23°C izany. Manodidina ny 15°C hatramin’ny 21° C eto Antananarivo
Mila mivonona amin’ny fidinan’ny hafanana, araka izany, ireo ankizy madinika sy ireo taizan’aretina na ny marefo. Mivatsy akanjo mafana hatrany rehefa hivoaka ny trano.
Tatiana A