Ambatondrazaka : renim-pianakaviana voatifitra teo amin’ny feny

Naratra teo amin’ny feny ny renim-pianakaviana iray notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana tao amin’ny kaominina Ambohitsilaozana, distrikan’ Ambatondrazaka, ny alin’ny 28 marsa teo. Tamin’ny 11 ora alina, niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray . Nitady ny vola, nirefotra ine­fatra misesy ny basy. Raikitra ny fikarohana ireo olon-dratsy. Tsy hita popoka ireto farany. Ankoatra izay, novelesin’ireo jiolahy ny vodibasy koa ny zanakavavin’ny voatafika. Ni­ta­ky vola izy ireo saingy tsy nahazo na inona na inona. Nentin’ny manodidina nihazo ny toeram-pitsaboana avy hatrany ilay ramatoa naratra. Tsy misy atahorana ny ainy.

Tsiferana R.

Partager sur: