Nanamafy ny endri-piaraha-miasa sy ny fomba entina hanatsarana ny fiaraha-miasa efa misy hatramin’izay eo amin’ny Tafika Malagasy ny Amerikanina, nandritra ny fihaonana teo amin’ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Nambaran’ny MDN fa matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, indrindra eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana an-dranomasina. Eo ny ady amin’ny jiolahintsambo. Ny fiatrehana ireo ambana isan-karazany toy ny loza voajanahary. Nambaran’ny masoivoho amerikanina fa faly izy tafahaona tamin’ny MDN. Nankasitraka tamin’ny fanekeny nandray azy ary manantena ny hitohizan’ny fiaraha-miasa efa misy. “Mitovy ny fanamby raha ny momba ny fiarovana ny sisin-dranomasina sy ny fiarovana ny vahoaka”, hoy izy.
Jean Claude