Nahazo fitaovana vaovao hanampy ireo efa ananany hoentina miatrika ny famonoana afo ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Fiaraha-miasa amin’ny fitantanana frantsay (SDIS 87 service Départemental d’incendie et de secours Haute Vienne) no nahafahana nisitraka ny fanamiana vaovao.
Akanjo 617, pataloha 445, 14 kosa ny «parkas» ary akanjo fanao anaty 75 no natolotry ny fitantanana frantsay ho an’ny sampana mpamonjy voina eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Anisan’ny hisitraka izao fanamiana vaovao izao ireo mpamonjy voina vaovao 100 vao noraisina teo anivon’ny vondrona. Manaraka tanteraka ny fenitra teknika amin’ny famonoana afo ary miaro ireo mpamonjy voina mandritra ny asa ataony ireo fanamiana nomena.
Hitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny sampana mpamonjy voinan’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny fitantanana frantsay amin’ny fifanampiana sy fizarana traikefa .
Nilaza ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, ny Kolonely Razafimanahaka Tiana fa «mampandroso ny sampana mpamonjy voina ary ahafahana manatsara sy manatanteraka ny asa sy ny adidy izay manandrify isan’ andro ny tolo-tanana toy izao”.
Tatiana A