Fihaonambe hotarihin’ny FFKM: “Mahamenatra raha isika samy isika no tsy mahita vahaolana”

Nohamafisin’ireo filoham-piangonana indray… Hiroso any amin’ny fihaonambe hamoriana ireo zanany ny eo anivon’ny FFKM. Mirona any amin’ny “Ady gasy” izy ireo amin’izany.

“Irin’ny FFKM ary efa antso nataony ny hi­sian’ny fihaonana eo amintsika samy Malagasy. Mahamenatra raha isika samy isika no tsy mahita vahaolana malagasy amin’ny olantsika. Iombonana ity firenena ity, ary iaraha-mitady ny hampandrosoana azy.”
Io ny fanazavan’ny filo­han’ny FFKM, ny pasitera Andriamahazosoa Irako Ammi, taorian’ny fanompoam-pivavahana nanombohana ny dinika, tarihin’ny FFKM, ireo solontenan’ny faritra 35, teny amin’ny FJKM Ambohipanja, Ilafy, omaly. Fihaonambe dingana voalohany, no tanterahina eny amin’ny Fofikri, Ilafy, na­nomboka omaly ary hifarana rahampitso. Fanomanana ny dingana faharoa sy ny dingana fahatelo no atao. Solontena no mivory amin’izao, homena ny fahazavan-tsaina ny amin’ny antony hanaovana azy sy ny fomba hanatanterahana azy. Eo koa ny fampitaovana amin’izany hampahomby ny dingana faharoa amin’ny volana mey sy ny dingana fahatelo amin’ny aogositra. Hisokatra ny FFKM amin’ny volana mey ho an’ireo vonona hanaja ny fitsipika apetraka amin’ny dinika hatao.

Antsoina hisoratra amin’ny lisitry ny mpifidy ny olom-pirenena

Miantso ny olom-pirenena hisoratra anarana any amin’ny lisitry ny mpifidy ny FFKM, ka hanara-maso ny anarany amin’izany. Rehefa tonga ny fotoana, handeha hifidy ary ho tomponandraikitra mavitrika eo amin’ny zotram-pifidianana rehetra. Hanana fifidianana marina izany, fa ny fahamarinana ihany no manandratra ny firenena. Ny hahazoana mametraka fomba fiasa hahatonga ny FFKM ho mpandray anjara mavitrika amin’ny zotram-pifidianana ikendrena fahamarinana no andrasana.
Tonga nanatrika ny fotoana ny filohan’ny Ceni, ny avy amin’ny parlemanta, ny filohan’ny Repoblika roa teo aloha, ny mpikamban’ny governemanta, ny avy amin’ny antoko politika…

R. Nd.

Partager sur: