Firaisankina ho an’ny tanindrazana

Vita iny ny fahatsiarovana ny 29 marsa 1947. Tsaroana isan-taona, dia fahatsiarovana tokoa. Mitondra inona? Na eo amin’ny tena na ny firenena… “Tolom-panafahana, firaisan­kina ho an’ny fitiavan-tanindrazana” no lohahevitra tamin’ity. Mby aiza? Tsiahivina isan-taona fa tsy mbola vita ny tolona. Vao mainka mihamafy aza, mitombo an-dalana… Aiza ho aiza izay tolona izay amin’izao? Na ny firaisankina, na ny fitiavan-tanindrazana…
Tolona mila fanafahana lehibe sy maika amin’izao, ohatra, ny gejan’ny fahantrana. Vao mainka tsy mahafa-bela amin’izany ny tsy fandriampahalemana izay vokatra sady antony. Eo ihany koa ny fidangan’ny vidim-piainana tsy mety ho voafehy, ny tsy fisian’asa, ny ady tany… Saingy tsy hita firy izay tena firaisankina mitoetra sy maharitra amin’izany, fa manjaka ny samy maka ho azy. Vao mainka tsy hita be ihany izay hoe ho an’ny tanindrazana. Ny tena sy ny ho an’ny tena aza, manahirana.
Tsy eny ifotony ihany izay hoe samy maka ho azy izay? Tsy afa-bela koa ny mpisehatra politika: miseholany ny samy maka ho azy, indrindra amin’izao fiatrehana fifidianana izao. Fitiavan-tanindrazana? Izay mampiady fo sy mampikatro-doha, nefa mampisara-bazana koa na hoe iray ihany aza ny tanjona. Ho an’ny tanindrazana tokoa? Nefa eo ihany ny ady tombontsoa: ny foto-kevitry ny tena no hoe hampanjakaina, ny vinam-piarahamonina, ny fandaharanasa… Ny tsy fisian’ny firaisankina no vao mainka mahamafy sy mahaela ny tolona amin’izany, na ny ady amin’ny fahantrana ihany aza, ohatra?
Ny adilahy politika lava, ohatra, no vao mainka mampa­hantra vahoaka. Tsy ho amin’ny fanatsaran-javatra tsinona ny tsikera, fa fanakorontanana handravana efa. Hany ka tsy hita izay marina fa sasatry ny miarina. Mandra-pahoviana? Tokony hitondra firaisankina mitoetra sy maharitra ho an’ny tanindrazana ny fahatsiarovana izay hoe tolom-panafahana; eny, na eo aza ny tsy fitoviam-pijery. Misy hatrany, ohatra, ny milaza fa famotehan’ny mpanjanatany ny tia tanindrazana ny “Raharaha 29 marsa 1947”. Inona ny marina? Na mbola tarazon’ny zarazarao hanjakana ny tsy fitoviam-pijery, na amin’ny tantaram-pirenena aza. Hatramin’izao, mbola tolona iray hafa koa izay? Mila firaisankina ho an’ny tanindrazana…

R. Nd.

Partager sur: