Kitra vehivavy : hanazatra an’i Frantsa i Hervé Renard

Raha tsy misy ny fiovam-baovao eo amin’ny federa­sion’ny baolina kitra frantsay (FFF), hanazatra ny ekipa vehivavy frantsay i Hervé Re­nard. Handimby an’i Corinne Diacre, mpanazatra ny Les Bleus teo aloha izany ity teknisianina frantsay ity, araka ny vaovao nivoaka omaly, tany Frantsa. Marihina fa mbola manazatra an’i Arabia Saodita i Renard, ary mbola haharitra hatramin’ny taona 2027 izany. Nahita vahaolana ara-bola tamin’ny federasiona saodiana, taranja baolina kitra (SAFF) izao anefa izy ka nahazo alalana ny hiala.
Marihina fa taorian’ny faharesen’i Arabia Saodita nanoloana an’i Bolivia, ta­min’ny isa 2 no ho 1, tamin’ny Mondial farany teo, no anisan’ny naneken’ny SAFF ny fijanonan’i Hervé Renard. Tsiahivina fa i Arabia Saodita, notarihin’i Hervé Renard ihany ny hany nandresy an’i Arzantina, tompondaka eran-tany, nandritra ny “Mondial 2022”, natao tany Qatar.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: